Entry | tany | ||||
Part of speech | noun | ||||
Explanations in Malagasy | Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly ¶ Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka ¶ Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina ¶ Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana ¶ Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo ¶ Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra [Rajemisa 1985] | ||||
Explanations in English | earth, soil, land; a country, a nation [Hallanger 1973] | ||||
Explanations in French | terre, sol; pays, nation [Hallanger 1974] | ||||
terre, sol, terrain [SLP 1986] | |||||
Vocabulary | Geography: (in general) | ||||
Compound words, titles, names |
| ||||
Analogs | tanimanga ~ tanimangampoza ~ taniravo | ||||
Quotes | Proverbs containing the word tany | ||||
Toponymy | |||||
Entry | tany (any) | ||||
Part of speech | adverb, past form | ||||
Explanations in Malagasy | Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina [Rajemisa 1985] | ||||
Analogs | any | ||||
Examples | na tany aho na tsy tany br>tsy ho kely be nenina moa hianao? [Fox: Hainteny, number 230] | ||||
Entry | tany | ||||
Part of speech | adverb | ||||
Explanations in Malagasy | Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho [Rajemisa 1985] | ||||
Entry | tany | ||||
Part of speech | noun | ||||
Explanations in Malagasy | [ tañy ] [Bara] tomany, fitomany, fitomaniana [Rakotosaona 1975] | ||||
[ tañy ] [Sihanaka] ranomaso, tomany [Rakotosaona 1975] | |||||
[ tañy ] [Tanala] tany, fitomaniana [Rakotosaona 1975] | |||||
(teny tranainy) ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa [Rajemisa 1985] | |||||
Explanations in French | les larmes, les pleurs, les gémissements ¶ regret [Abinal 1888] | ||||
[ tañy ] [Sakalava-Mayotte] pleur [Andilidine: Lexique (takila T)] | |||||
Derivations |
| ||||
Synonyms | tañe | ||||
Quotes | Proverbs containing the word tany | ||||
Updated on 2022/01/24 |
![]() |