Entry sampona
Part of speech noun or adjective
Explanations in Malagasy  [Rajemisa 1985] Zavatra sendra miseho na tonga ka misakana tsy hanatanteraka izay efa nokasaina hatao; sakana: Ho tonga aho raha tsy misy sampona
¶ Voasakana, voatana: Sampona ny diany ~ Sampon' ny fahafatesan-dreniny izy ka tsy tonga
Explanations in English  [Hallanger 1973] a hindrance
¶ hindered
Explanations in French  [Hallanger 1974] empêchement
¶ empêché
Derivations 
Examples  [Rajohanesa: Kintana] Nanomanomana ny hiakaran-dRazaimalala any Imerina Ramatoa Ramavo, nefa sampona ny dia, fa nararirary Ingahy Rainialijaona.
Quotes 

Entry sampona
Part of speech noun
Explanations in Malagasy  [Rajemisa 1985] Zavatra na olona manana toetra tsy araka ny hita andavanandro fa hafahafa: Trondro sampona
Explanations in English  [Hallanger 1973] malformed offspring
Explanations in French  [Hallanger 1974] enfant mal formé, monstre
Compound words, titles, names 

Updated on 2020/07/31