Entry mihomehy (homehy (hehy))
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy  [Rajemisa 1985] Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana: Vao iray volana, hono, ity zaza ity dia nihomehy
¶ Mamazivazy: Nihomehy an' ilay Rangahy be kibo daholo ny ankizy
¶ Maneso, manakora: Tsy fanao ny mihomehy ny resy
Mitovy hevitra: dangin' ny hehy ~ jihitry ny hehy ~ latsaky ny hehy ~ lokin' ny hehy ~ mampiseho katsaka ~ manahy nify ~ manao farahehy ~ manao hehy valaka ~ manao hehy voraka ~ matin' ny hehy ~ miatatry ny hehy ~ mibokitra ny tehezana ~ mihomehy mihimoka ~ mihomehy mikafana ~ mihomehy ra ~ mihomehy tsy vaky ~ mikakakaka ~ mikanikany ~ mikikikiky ~ mikimokimoka ~ mitokaka ~ mitokelaka ~ mitsikitsiky ~ mitsiky ~ mitsiky mahalana ~ mitsiky tsy ravo ~ mitsiky vazana ~ mivadika aty ~ mivanika ~ mivanitika ~ mivanivany ~ ridan' ny hehy ~ tapa-tsinay ~ toran' ny hehy ~ tsipaky ny hehy ~ tsy manana aina
Explanations in English  [Hallanger 1973] to laugh at, to mock; to laugh
Explanations in French  [Hallanger 1974] rire; se moquer de
Morphology 
mihomehy
nihomehy
hihomehy
mihomeheza
Examples 
1 [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 148] Ankizy mahay mihomehy ireny, ankizy mahay milalao, mahay mihira, mahay mifaly, - saingy zanaky ny Tantsaha, ankizin' ambanivohitra.
2 [Andraina: Mitaraina, page 248] Izy ve mihomehy, ianao tsy hihomehy!
Quotes 

Updated on 2020/07/31