Entrée | mangidy (ngidy) | |||
Partie du discours | adjectif | |||
Explications en malgache | Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza Masiaka: Mangidy ny sakay Mampahory izaitsizy, mampangirifiry Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina [1.1] | |||
Explications en anglais | Bitter [1.2, 1.7] | |||
Explications en français | Amer [1.8] | |||
Exemples | Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy.
[2.472] | |||
Mots composés |
| |||
Phytonymes |
| |||
Proverbes | Proverbes contenant le mot mangidy | |||
Entrée | mangidy | |||
Partie du discours | adjectif | |||
Explications en malgache | [Taisaka] Saro-tongavina [1.78] | |||
Explications en anglais | Expensive [1.7] | |||
Explications en français | Qui coûte cher [1.8] | |||
Entrée | mangidy (hidy) | |||
Partie du discours | adjectif | |||
Explications en malgache | [Taisaka] mangidihidy [1.78] | |||
Explications en français | [Sakalava-Mayotte] Qui démange, qui donne envie de se gratter [1.405] | |||
Entrée | mangidy | |||
Partie du discours | nom | |||
Explications en français | [Betsimisaraka, Sihanaka] (de ngidy : amertume, goût amer). Nom des arbres dont les écorces sont particulièrement amères. Notamment : Physena madagascariensis Thouars ex Tul. (Physenaceae) réf. Humbert 13.899. D'après G. Cours, on attribue à ces écorces des propriétés calmantes, sédatives. Écrasées fraîches, on en frotte la peau pour empêcher les sangsues aériennes de s'y fixer. [1.196] | |||
Nom scientifique | Physena madagascariensis | |||
Vocabulaire | Botanique ~ Santé | |||
Anagrammes | diminga, mangidy |
Mis à jour le 2023/06/18 |
![]() |