Entry |
hoza > hozatra
|
Part of speech | noun
|
Explanations in Malagasy | (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat;
anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny
fanakanbanan-teny. Ohatra:
aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra,
mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets.
Ary ny matoanteny hoe
manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe
manolatra (
holatra ) fa tsy mankolatra),
manelatra (
helatra ) fa tsy mankelatra), ets.
...
[Ravelojaona 1937 page H.314]
|
| Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby: ¶ 1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela ¶ 2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho) ¶ 3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy. ¶ 4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io [Rajemisa 1985]
|
Explanations in French | comme ozatra
[Abinal 1888 page 274]
|
Vocabulary |
Derivations |
Other spellings |
Compound words, titles, names |
|
Quotes |
|