Entry | ho | ||
Part of speech | particule | ||
Explanations in Malagasy | [Rajemisa 1985]
Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho:
-- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny -- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa -- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa! -- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva) -- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka ¶ Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika ¶ Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara ¶ Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada! ¶ Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy | ||
Explanations in English | [Hallanger 1973]
sign of the future tense, used before consonants, as
-- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive -- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut | ||
Explanations in French | [Hallanger 1974]
marque le futur; se met devant les consonnes; ex.
-- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera -- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera | ||
Entry | hô | ||
Part of speech | preposition | ||
Explanations in Malagasy | [Rakotosaona 1975] [Tanosy] tahaka, sahala | ||
Entry | ho | ||
Part of speech | adverb | ||
Explanations in Malagasy | [Rakotosaona 1975] [Tanosy] toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa | ||
Compound words, titles, names |
| ||
Entry | ho~ | ||
Part of speech | prefix | ||
Entry | Ho
![]() | ||
Part of speech | noun (symbol) | ||
Explanations in Malagasy | [3.1] Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina. | ||
Explanations in English | [3.1] Holmium. | ||
Vocabulary | Chemistry | ||
Updated on 2022/08/14 |
![]() |