|
|
|
|

Entrée1  Hiram-betsovetso
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème)
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Ny Avana
Tableaux et planches  5  Liste des poèmes
Texte complet 
6  Soratako ny hirako
7  Aty an-tsisin-tany
8  Ka izy no mba irako
9  Hanony izay tomany.

10  Ô! hira tsy marevaka
11  Fa kalon'olona ory;
12  Malako sy malefaka,
13  Fanaoko raha hatory.

14  Ka eo am-baravarana io
15  No maka rotsirotsy,
16  Injay manarangarana
17  Ny tara-bolafotsy,

18  Ny kintana eny an-danitra,
19  Indreo mangalahala;
20  Mitopy sady manitra
21  Ny rivotra ao an'ala.

22  Ny zava-manodidina
23  Manomboka ho sina;
24  Ny saiko, injay misidina,
25  Miakatra mangina!

26  Ka eny am-pitazanana
27  Ny zava-tsinjo eny,
28  Ny foko tsy haiko tanana,
29  Mivetso an'izy ireny!

30  Izato habakabaka
31  Mirentin-kazavana ,
32  Madio mangabakabaka ,
33  Tsy hita fiafarana!

34  Tsy azoko refesina,
35  Tsy takatry ny loha,
36  Fa satriko hoventesina,
37  Kaloiko mialoha.

38  Ny kintana alinalina,
39  Mambabo ny fanahy,
40  Mandravaka ny alina,
41  Manetsiketsika ahy!

42  Mba kely fa mamiratra
43  O! toy ny tamaboha ,
44  Kanefa mampihiratra
45  Ny vetsovetson-doha!

46  Raha ory ny fisainana,
47  Banjiniko izy ireny:
48  Ny ora itarainana,
49  Mba lefy ho azy eny!

50  Raha vonto ny takolaka,
51  Na maloka ny tava,
52  Malemy sady folaka
53  Ny sento lalandava!

54  Ny volana zahavana:
55  Malefa-kafahafa,
56  Toa maso be fitiavana,
57  Maniry hifanantsafa .
58  Injay somparan-drahona
59  Ny tavany efa feno:
60  Izaho koa miahona,
61  Ny hirako tsy heno.

62  Tsaroako fa manjombona
63  Na izy na ny foko,
64  Satria izahay miombona,
65  Miara-mitakoko.

66  Matetika eo no lasana
67  Ny sentosentom-po!
68  Tadidy ny any am-pasana,
69  Ny tiana efa lo:

70  Ny kibo nifonosana,
71  Ny Dada niangotiana,
72  Ny zokiko nofosana,
73  Ny zandry kely tiana!

74  Dia tonga manororika
75  Itony maso itony!
76  Ny lohako miondrika,
77  Tsy mahatraka intsony!

78  Fa nony mangoratsaka,
79  Ka tsinjo ny hazavany,
80  Ny sento tafalatsaka
81  Misinda lavitra any!

82  Mazava mangorobaka
83  Tafiditra any am-po!
84  Ka hery be mitobaka
85  Mandroaka ny manjo!

86  Ny tsilo be maranitra
87  Manevika eto an-tany,
88  Dia hita fa io ny Lanitra,
89  Mpanafaka an'izany!

90  Impiry ny Fanahiko
91  Zay noratrain'ireny
92  No lasana nirahiko
93  Nandranto aina teny?

94  Ny Tany mihorakoraka
95  Raha lavony eo ianao!
96  Ny Lanitra mangoraka,
97  Manafy hery vao.

98  Ny maso ampakarina,
99  Ry havako tomany,
100  Lazaiko marimarina
101  Fa maina ho azy izany!

102  Fa tody izao ny irako
103  Taty an-dafin-tany;
104  Ka enga anie ny hirako
105  Hanony izay tomany!

Mis à jour le 2024/11/25