Entrée |
farany
|
Partie du discours | adverbe
|
Explications en anglais | Finally [1.2]
|
Explications en français | Enfin, en un mot [1.3]
|
Exemples | Farany dia tonga ry zareo.
[2.356]
|
Titres |
|
|
Entrée |
farany
|
Partie du discours | nom ou adjectif
|
Explications en malgache | Aoriana indrindra amin' ny laharana, amin' ny fanadinana na fifaninanana: Ny Desambra no volana farany amin' ny taona ~ I Naivo no farany tamin' ny fanadinana tao [1.1]
|
Explications en anglais | The end, the last, the conclusion, the extremity, the close. [1.2]
|
| The end, a limit [1.7]
|
Explications en français | La fin d'une chose, le bout, la termisaison Dernier [1.3]
|
Exemples |
1 | ho tsara farany hianareo!
[2.48]
|
2 | Tsinjony fa efa akaiky ny farany.
[2.499]
|
3 | Betatao, farany Merina amoron' ala;
[2.48]
|
|
Mots composés |
|
Analogues |
farana |
|
Entrée |
Farany
|
Partie du discours | nom propre (titre de poème)
|
Auteur | Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte |
Gina aho, eny tankina fa tsy nino hatramin'ny farany...
Mbola nihevitra ny hahazo hiady amin'ny fahafatesana!
Indrisy! tafahoatra ny heriko ny hangidin'ny fiharany ;
Eny! hankaiza aho anefa? Lahatra tsy ifandrefesana!
Tapitra fitepo hatreo ny fonao tia, rahavako...
Vata-mangatsiaka indrisy! sisa fihiniko eto an-tratra;
Eny! iky izany ianao ka ho afoin'ny fitiavako!
Ho banga anao ny fiainako, ô famoizana mahantra!
Mamaivay ny ranomaso : fahoria-mamelively...
Torovana sy fanina aho misaina ireo kamboty kely
Sy ny akany ho foana anao, tsy hahita anao intsony! ! !
Tsy foiko ianao hisaraka amiko, ry malala mamanara...
Nefa ho aiza aho fa resy anatrehan'ny Anjara!
Raiko ô, mangidy izao! Ny alaheloko onony!
|
|
Vocabulaire |
Mots élémentaires | farany |
Tableaux et planches | Tous les titres
|
|