Entry fandrosoana (roso)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy  [Rajemisa 1985] Fandehanana eo aloha: Ny fandrosoan' ny eo aloha indray mandingana monta dia hahafahan' ny atỳ aoriana mahazo toerana malaladalaka kokoa
¶ Fanolorana zavatra ho an' olona, izay apetraka eo anoloany: Ikoto no hikarakara ny fandrosoana kafe ho an' ny oiona nasaina
¶ Fitomboana fahaizana: Tsy misy fandrosoana ny fianaran' ny zanakao
¶ Fandehanana tsara misy tombony, fahombiazana: Fandrosoana lehibe ho anao izao fahazoanao voninahitra izao
¶ Fivoarana ho amin' ny tsaratsara kokoa vokatry ny fiitaran' ny fahaizana amam-pahalalan' ny olombelona: Betsaka ny aretina resy noho ny fikarohana nentin' ny fandrosoana
Explanations in French  [Abinal 1888] l'action d'avancer, de présenter, l'instrument pour présenter, le temps
¶ le progrès, la civilisation
Morphology 
fandrosoana
fandrosoako
fandrosoanao
fandrosoany
fandrosoantsika
fandrosoanay
fandrosoanareo
fandrosoan'
fandrosoan-
fandrosoam-
fandrosoa-
-pandrosoana
-pandrosoako
-pandrosoanao
-pandrosoany
-pandrosoantsika
-pandrosoanay
-pandrosoanareo
-pandrosoan'
-pandrosoan-
-pandrosoam-
-pandrosoa-
Antonyms 
Examples 
1 [Randriamamonjy: Tantara, page 505] Maro sady lehibe ny fandrosoana nentin-dRadama.
2 [SeFaFi ] Ary raha tsisy fandrosoana, ny vidim-piainana tsy hitsahatra ny hiakatra.
3 [Andriamalala: Fanagasiana, page 34] Ary raha tsy maintsy lazaina ho fandrosoana izany, dia fandrosoana mankany an-kady!

Updated on 2020/07/31