Entry fananganana (tsangana)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fanarenana zavatra amin' ny haavony: Tsy sarotra akory ny fananganana io sarivongana nianjera io
¶ Fampijoroana: Tsy mora velively ny fananganan-trano, indrindra amin' izao andro izao
¶ Fametrahana zavatra amin' ny toerana avo mba hahitana azy: Alohan' ny fidirana no fananganana ny saino
¶ Filazana olona eo anatrehan' ny fanjakana, na ny fokonolona taloha, ho toy ny zanaka maharo mandova: Zava-dehibe amin' ny Malagasy ny fananganan-jaza. (Ny fananganan-jaza taloha dia nandoavana ny hasin' andriana sy ny orimbaton' ny fokonolona, izay vavolombelona afaka manamarina ny fananganana noho izy nanatri-maso; ankehitriny ny fananganan-jaza dia soratana amin' ny bokimpanjakana eo anatrehan' ny vavolombelona) [Rajemisa 1985]
Explanations in English [Rel. s. from manangana (tsangana).] Raising up, putting up, that used to raise up anything. [Richardson 1885]
Explanations in French l'action de dresser, de mettre debout, de planter, l'instrument, le lieu [Abinal 1888 page 751]
 construction, montage [SLP 1986]
Compound words, titles, names 
Examples 
1Izao kosa no fananganana ny fisotroan-drano. [FOFAFIPE: Rosovola]
2ny fananganana ny sokajin' antokon-draharaham-panjakana; [Fanjakana: Lalam-panorenana]
3Noho izany, dia nihevaheva lava teny ny fananganana an-dRajao. [Ramangamalefaka: Heloka]

Updated on 2022/01/19