|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  adijady
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 laharana fahafolo amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny.
4 antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djadi (Chevreau)..
5 Ny Adijady dia reni-vintana mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy. Eo anjorom-baravarankely.
6 (avaratra-andrefana) no filaharany..
7 Ny zaza teraka amin' ny vava-Adijady, hono, dia jadijadina, izany hoe, sady vitsy teny no jinijinina;.
8 nefa kosa izay teraka amin' ny vontony sy ny vodiny dia heverina ho tsara vintana ihany..
9 Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadona tokoa; ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza.
10 indrindra no isantarana amin' izany. Io no tonon' andro tsara ho fampidiram-pananana, na andevo hovidiana,.
11 na biby hopiana, na vary hatao an-davaka, na vola hotehirizina an-kitapo. Io koa no.
12 tonom-bintana fangalana vohitra sy fanorenan-trano. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara.
13 hampakaram-bady, fa savihin' ny andro mafy ka tsy ho afaka hisara-belona:.
14 "Lamban' akoho" ny fanambadiana atao Adijady, "ka faty no isarahana.".
15 Ny Asorotany no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adijady, fa samy henjana ireo, ka tsy mahay.
16 miaraka; koa dia ny mitanila eo amin' ny Alahatsy sy ny Adizaoza no iarenany sy iandrianany..
17 Ny ranon' erika dia atao ho Adijady, fa mahamerika andro ny Adijady, ka be vaky siny ny mpantsaka,.
18 misy mirodona ny tokotany. Miantomboka mitomany ny tompon' ireo, ary mitohy amin' ny Adalo be ranomaso izany.. [1.10]
19 .
20 .
21 .
22 .
58 .
120 .
156 .
157 . [3.1]
158 Anaran' ny volana fahafolo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alakaosy ary alohan' ny Adalo, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin' ny zorony avaratra andrefana (zorom-baravarankely). Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' io.
159 Fanandroana: vavany: alam-bintana fandrao dia mijadina loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  160 The name of the tenth month in the Malagasy year. [Ar. Al-dschadiu - Capricorns.]. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  161 Nom de la dixième lune et du dixième mois de l'année malgache. [1.3]
Ohatra  162  ny adijady amin' ny andrefana-avaratra, an-jorom-barava-ran-kely. [2.296#]
163  fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 adijady dia namely mafy ny rivotra; [2.59]
Voambolana  164  Fotoana 165  Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Ohabolana  241  Ohabolana misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  242  Fizaran' andro

Teny iditra (2/3)243  adijady
Sokajin-teny  244  anarana
Fanazavàna teny malagasy  245 zana-pehintany 23°27'30" atsimon'ny fehibe. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  246 tropique du Capricorne. [1.13]
Voambolana  247  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  248  asorotany, 249  zanapehintany
Sary 

Teny iditra (3/3)250  adijady
Sokajin-teny  251  anarana
Fanazavàna teny malagasy  252 latsa, fanalikalikana, ompa. [Taimoro] [1.78]

Fivaditsoratra  253 adijady, 254 adijidà

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/13